Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 5:2-14 Malagasy Bible (MG1865)

2. Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:

3. Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

4. Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.

5. Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11).

6. Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.

7. Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.

8. Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra,

9. Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra.

10. Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

11. Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.

12. Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.

13. Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona.

14. Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.

Vakio ny toko manontolo Matio 5