Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 3:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-efitr'i Jodia nanao hoe:

2. Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

3. Fa izy no ilay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa. 40. 3).

4. Ary ny fitafian'izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.

5. Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin'ny tany rehetra amoron'i i Jordana dia nivoaka nankany amin'i Jaona,

6. ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.

Vakio ny toko manontolo Matio 3