Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 25:5-12 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.

6. Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.

7. Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.

8. Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.

9. Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.

10. Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.

11. Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay.

12. Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.

Vakio ny toko manontolo Matio 25