Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 24:34-51 Malagasy Bible (MG1865)

34. Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan'izany rehetra izany.

35. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.

36. Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.

37. Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona.

38. Fa tahaka ny tamin'ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara,

39. ary tsy fantany mandra-pihavin'ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona.

40. Ary amin'izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.

41. Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.

42. Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo.

43. Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.

44. Koa miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona.

45. Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin'ny fotoana?

46. Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.

47. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.

48. Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko,

49. ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin'ny mpimamo,

50. dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany,

51. dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

Vakio ny toko manontolo Matio 24