Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 22:2-14 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an'ny zananilahy.

3. Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin'ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.

4. Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin'ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin'ny fampakaram-bady ianareo.

5. Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin'ny sahany, ary ny anankiray ho any amin'ny varony.

6. Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.

7. Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany.

8. Dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika.

9. Koa mankanesa ianareo any amin'ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin'ny fampakaram-bady.

10. Dia nivoaka ho any amin'ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.

11. Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady.

12. Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy.

13. Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

14. Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.

Vakio ny toko manontolo Matio 22