Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 19:21-30 Malagasy Bible (MG1865)

21. Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.

22. Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo izy, satria nanana fananana be.

23. Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra.

24. Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

25. Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Iza indray no azo hovonjena?

26. Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra.

27. Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay?

28. Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin'ny fanavaozana, ka hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo ka hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo.

29. Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.

30. Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.

Vakio ny toko manontolo Matio 19