Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 16:3-10 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary nony maraina, dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin'ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo.

4. Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa.

5. Ary rehefa tonga teny am-pita ny mpianatra, dia nanadino hitondra mofo izy.

6. Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.

7. Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.

8. Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo?

9. Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo?

10. na ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo?

Vakio ny toko manontolo Matio 16