Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 10:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra.

2. Ary izao no anaran'ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny;

3. Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak'i Alfeo,

4. sy Tadeo; Simona Kananeana ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.

5. Ireo roa ambin'ny folo lahy ireo dia nirahin'i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin'ny lalan'ny jentilisa, ary aza miakatra amin'izay tanànan'ny Samaritana,

6. fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.

7. Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

8. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

9. Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin'ny fehin-kibonareo,

10. na kitapom-batsy ho amin'izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny.

11. Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo.

12. Ary raha vao miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao.

13. Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.

14. Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin'izany trano na tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo.

Vakio ny toko manontolo Matio 10