Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 5:2-17 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin'izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin'ny fasana ka nifanena taminy,

3. fa nitoetra tao amin'ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin'ny gadra aza.

4. Fa efa nafatony matetika tanin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin'ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin'ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.

5. Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin'ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin'ny vato.

6. Fa nony nahita an'i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany

7. sady niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin'Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy,

8. satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin'ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.

9. Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay.

10. Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin'izany tany izany.

11. Ary nisy kisoa maro andiany izay nandrasana teny akaikin'ny tendrombohitra.

12. Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin'ny kisoa mba hiditra any aminy.

13. Dia neken'i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty tany amin'ny ranomasina izy.

14. Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany;

15. ary tonga tany amin'i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona.

16. Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin'ny olona izay natao tamin'ilay demoniaka sy ny amin'ny kisoa.

17. Ary nifona tamin'i Jesosy izy mba hiala amin'ny taniny.

Vakio ny toko manontolo Marka 5