Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 4:12-22 Malagasy Bible (MG1865)

12. mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10).

13. Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra?

14. Ny mpamafy dia mamafy ny teny.

15. Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.

16. Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana;

17. nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy.

18. Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny,

19. fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy.

20. Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.

21. Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hosaronan'ny vata famarana, na hatao ao ambanin'ny farafara? Tsy hatao amin'ny fanaovan-jiro va izy?

22. Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho.

Vakio ny toko manontolo Marka 4