Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 2:14-22 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary nony nandalo Izy, dia nahita an'i Levy, zanak'i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra; ka hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.

15. Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranony Izy, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nihinana tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany; fa nisy maro tao, dia nanaraka Azy izy.

16. Ary ny mpanora-dalàna, izay isan'ny Fariseo, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin'ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy!

17. Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota

18. Ary ny mpianatr'i Jaona sy ny Fariseo nifady hanina tamin'izany; dia avy izy ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr'i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?

19. Ary Jesosy niteny taminy hoe: Mahay mifady va ny havan'ny mpampakatra raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra dia tsy mahay mifady izy.

20. Fa ho avy andro izay hanalana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin'izany andro izany hifady izy.

21. Tsy misy olona manjaitra tapa-damba tsy mbola voalòna amin'ny lamba tonta; fa raha izany, ny vaovao izay natampina dia handrompitra ny tonta, ka hitatra ny triatra.

22. Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta. fa raha izany, ny divay dia hahatriatra ny siny hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no ho ao anaty siny hoditra vaovao.

Vakio ny toko manontolo Marka 2