Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 14:41-57 Malagasy Bible (MG1865)

41. Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak'olona hatolotra ao an-tànan'ny mpanota.

42. Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.

43. Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny Izy, dia avy Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, sady nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.

44. Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka.

45. Ary rehefa tonga izy, dia nanatona an'i Jesosy niaraka tamin'izay ka nanao hoe: Raby ô! dia nanoroka Azy izy.

46. Ary ny olona naninjitra ny tànany taminy ka nisambotra Azy.

47. Ary ny anankiray tamin'izay teo anilany nanatsoaka ny sabany, dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny.

48. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?

49. Teo aminareo isan'andro Aho an-kianjan'ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao.

50. Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra.

51. Ary nisy zatovo anankiray nanaraka Azy, ka lamba hariry madinika fotsiny ihany no nitafiany, ary nosamborin'ny olona teo izy.

52. Dia navelany teny aminy ny lambany hariry madinika, ka nandositra nitanjaka izy.

53. Ary nitondra an'i Jesosy ho any amin'ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna.

54. Ary Petera efa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niara-nipetraka teo amin'ny mpiandry raharaha izy namindro teo anilan'ny afo.

55. Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra nitady vavolombelona hiampanga an'i Jesosy hamonoany Azy, nefa tsy nahita.

56. Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany.

57. Ary nitsangana ny sasany, dia niampanga lainga Azy nanao hoe:

Vakio ny toko manontolo Marka 14