Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 14:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan'ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an'i Jesosy tamin'ny fitaka ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy.

2. Nefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fandrao hampitabataba ny vahoaka.

3. Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon'i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesosy ny menaka.

4. Ary nisy ny sasany tezitra ka nifampilaza hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao?

5. Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo.

6. Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko.

7. Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao ianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.

Vakio ny toko manontolo Marka 14