14. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay. Ary ny mpianany nahare izany.
15. Ary tonga tany Jerosalema izy: ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan'ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;
16. ary tsy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan'ny tempoly.
17. Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra? (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jery. 7. 11).
18. Ary nahare izany ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy, satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany.
19. Ary isan-kariva dia niala tao an-tanàna Izy.
20. Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin'ny fakany ilay aviavy.
21. Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe: Raby ô, indro fa efa malazo ilay aviavy nozoninao.
22. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an'Andriamanitra.
23. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.