Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 11:11-15 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary Jesosy niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan'ny tempoly; ary rehefa nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro tamin'izay, dia niala Izy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy ka nankany Betania.

12. Ary nony ampitson'iny, rehefa niala tany Betania izy, dia noana Jesosy.

13. Ary nahatsinjo aviavy anankiray mandravina erį»³ lavidavitra Izy, dia nankeo, fa toa hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo aminy Izy, dia tsy nahita na inona na inona, afa-tsy ravina ihany; fa tsy mbola tonga ny taom-pamoazan'ny aviavy.

14. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay. Ary ny mpianany nahare izany.

15. Ary tonga tany Jerosalema izy: ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan'ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;

Vakio ny toko manontolo Marka 11