32. Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.
33. Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan'ny varavarana avokoa.
34. Ary nahasitrana olona maro izay nararin'ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.
35. Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.
36. Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany.
37. Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao.
38. Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako.
39. Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin'ny synagogan'ny olona eran'i Galilia sady namoaka ny demonia.
40. Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
41. Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao.
42. Ary niaraka tamin'izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.
43. Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin'izay