Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 9:41-46 Malagasy Bible (MG1865)

41. Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento etỳ ny zanakao.

42. Ary raha mbola nanatona izy, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy; dia natolony tamin-drainy indray izy.

43. Dia talanjona izy rehetra noho ny fiandrianan'Andriamanitra. Ny nilazan'i Jesosy fanindroany ny hahafatesany sy ny hitsanganany indray. Fa raha talanjona izy rehetra tamin'izay rehetra nataon'i Jesosy, dia hoy Izy tamin'ny mpianany:

44. Ampidironareo ao amin'ny sofinareo izany teny izany; fa ny Zanak'olona efa hatolotra eo an-tànan'ny olona.

45. Nefa tsy azon'ny mpianatra io teny io sady nafenina azy izany mba tsy ho fantany; ary natahotra hanontany Azy ny amin'io teny io izy.

46. Dia nisy fisainana niseho tao am-pony ny amin'izay ho lehibe ao aminy.

Vakio ny toko manontolo Lioka 9