Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 8:24-35 Malagasy Bible (MG1865)

24. Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro.

25. Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

26. Dia nitody tany amin'ny tanin'ny Gerasena izay tandrifin'i Galilia izy.

27. Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin'ny fasana.

28. Fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory Hianao, Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra ô? masina Hianao, aza mampijaly ahy.

29. Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin'ny demonia niriotra nankany an-efitra izy.

30. Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny.

31. Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany amin'ny lavaka tsy hita noanoa.

32. Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nekeny.

33. Ary ny demonia, rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva tamin'ny hantsana ho any amin'ny farihy, ka dia maty tany.

34. Ary nony hitan'ny mpiandry izany natao izany, dia nandositra izy ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha.

35. Dia nivoaka ny olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin'i Jesosy izy, dia nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan'ny demonia, fa indro izy nipetraka teo anilan'ny tongotr'i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo.

Vakio ny toko manontolo Lioka 8