Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 8:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary taoriana kelin'izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka Azy.

2. mbamin'ny vehivavy sasany, izay nositraniny tamin'ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia Maria atao hoe Magdalena, izay efa nivoahan'ny demonia fito,

3. sy Johana, vadin'i Koza, mpitandrina ny fananan'i Heroda, ary Sosana mbamin'ny maro hafa koa, izay nanompo azy tamin'ny fananany.

4. Ary nisy vahoaka betsaka niangona, ka nanatona Azy ny olona avy tamin'ny isan-tanàna, dia nanao fanoharana hoe Izy:

5. Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voa; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana ka voahitsakitsaka, ary dia lanin'ny voro-manidina.

6. Ary ny sasany dia voafafy teny ambonin'ny vatolampy; ary raha vao naniry izy, dia nalazo; satria tsy nisy mandomando.

7. Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo niara-naniry taminy, dia nangeja azy.

8. Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.

9. Ary ny mpianany nanontany Azy ny amin'izay hevitr'izany fanoharana izany.

10. Dia hoy Izy: Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra (Isa. 6. 9).

Vakio ny toko manontolo Lioka 8