Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 7:22-34 Malagasy Bible (MG1865)

22. Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin'i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.

23. Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.

24. Ary rehefa lasa ny irak'i Jaona, dia nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?

25. Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba soa va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon'ny mpanjaka.

26. Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.

27. Fa izy ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).

28. Lazaiko aminareo: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia lehibe noho izy.

29. Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre, dia nanamarina an'Andriamanitra, satria natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona izy.

30. Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa nandà ny fikasan'Andriamanitra, satria tsy mba nanatona hataon'i Jaona batisa izy.

31. Tahaka ny inona ary no hanoharako ny olona amin'ity taranaka ity? tahaka ny inona moa izy?

32. Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy nitomany ianareo.

33. Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana demonia izy.

34. Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota.

Vakio ny toko manontolo Lioka 7