Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 22:55-68 Malagasy Bible (MG1865)

55. Ary raha namelona afo teo an-kianja ireo ka nipetraka, dia mba nipetraka teo aminy koa Petera.

56. Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan'ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity koa nomba Azy.

57. Fa izy nandà ka nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy.

58. Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman'ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.

59. Ary rehefa afaka tokony ho ora iray, dia nisy anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.

60. Fa hoy Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno.

61. Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an'i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin'ny Tompo nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.

62. Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.

63. Ary ny lehilahy izay nitana an'i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy.

64. Ary rehefa nanampi-maso Azy izy, dia nanontany Azy hoe: Maminania; iza moa no namely Anao?

65. Ary niteny ratsy izy nilaza zavatra maro hafa koa nanaratsiany Azy.

66. Ary raha vao nazava ny andro, niangona ny loholona, dia ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nitondra an'i Jesosy ho eo amin'ny Synedriona, dia nanao hoe:

67. Raha Hianao no Kristy, dia lazao aminay. Fa hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino ianareo.

68. Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory ianareo.

Vakio ny toko manontolo Lioka 22