Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 22:44-59 Malagasy Bible (MG1865)

44. Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin'ny tany.

45. Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin'ny mpianatra ka nahita azy matorin'alahelo.

46. Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory ianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.

47. Ary raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an'i Jesosy hanoroka Azy.

48. Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak'olona?

49. Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin'ny sabatra va izahay?

50. Ary ny anankiray teo aminy dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana.

51. Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nanendry ny sofiny Izy ka nahasitrana azy.

52. Ary hoy Jesosy tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay tonga hisambotra Azy: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?

53. Raha teo aminareo isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin'ny maizina.

54. Ary izy ireo nisambotra an'i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon'ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny.

55. Ary raha namelona afo teo an-kianja ireo ka nipetraka, dia mba nipetraka teo aminy koa Petera.

56. Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan'ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity koa nomba Azy.

57. Fa izy nandà ka nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy.

58. Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman'ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.

59. Ary rehefa afaka tokony ho ora iray, dia nisy anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.

Vakio ny toko manontolo Lioka 22