Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 19:6-21 Malagasy Bible (MG1865)

6. Dia nidina faingana izy ka nampiantrano Azy sady faly.

7. Ary raha nahita izany izy rehetra, dia nimonomonona ka nanao hoe: Lasa nandeha hiantrano amin'izay lehilahy mpanota Izy.

8. Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin'ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an'ny malahelo; ary raha misy zavatr'olona nalaiko tamin'ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany.

9. Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin'ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak'i Abrahama koa.

10. Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.

11. Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana, satria efa akaiky an'i Jerosalema Izy, ka nataon'ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan'Andriamanitra.

12. Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.

13. Dia niantso folo lahy tamin'ny mpanompony izy ary nanome azy farantsa folo ka nanao taminy hoe: Mandrantoa mandra-pihaviko.

14. Fa ny vahoakany nankahala azy, dia nampitondra reny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan'iny lehilahy iny izahay.

15. Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin'ny fandrantoana.

16. Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo.

17. Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin'ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo.

18. Dia tonga ny anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy.

19. Ary hoy koa izy tamin'io: Manapaha tanàna dimy koa ianao.

20. Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin'ny mosara.

21. Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao.

Vakio ny toko manontolo Lioka 19