Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 19:41-48 Malagasy Bible (MG1865)

41. Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy

42. ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin'ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! - fa ankehitriny miafina amin'ny masonao izany.

43. Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan'ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina

44. ary hamongotra anao hatramin'ny tany mbamin'ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin'ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.

45. Ary niditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia nandroaka izay nivarotra

46. ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko dia trano fivavahana (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jery. 7. 11).

47. Ary nampianatra isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Izy. Fa ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy;

48. nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.

Vakio ny toko manontolo Lioka 19