Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 18:5-10 Malagasy Bible (MG1865)

5. mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.

6. Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain'ilay mpitsara tsy marina.

7. Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy?

8. Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana etỳ ambonin'ny tany va Izy?

9. Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin'ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa;

10. Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan'ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.

Vakio ny toko manontolo Lioka 18