Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 13:12-25 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin'ny rofinao ianao.

13. Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin'izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an'Andriamanitra.

14. Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy amin'ny andro Sabata.

15. Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona amin'ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano?

16. Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr'i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va?

17. Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.

18. Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny fanjakan'Andriamanitra? ary inona no hanoharako azy?

19. Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain'olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga haro; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin'ny rantsany.

20. Ary hoy koa Jesosy: Inona no hanoharako ny fanjakan'Andriamanitra?

21. Tahaka ny masirasira izy, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra.

22. Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema.

23. Dia hoy ny anankiray taminy; Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin'ny olona:

24. Miseseha hiditra amin'ny varavarana etỳ ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.

25. Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandondòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo;

Vakio ny toko manontolo Lioka 13