Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 1:45-64 Malagasy Bible (MG1865)

45. Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain'ny Tompo taminao.

46. Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,

47. Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy;

48. Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin'ny ankehitriny dia hataon'ny taranaka rehetra ho sambatra aho.

49. Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masina ny anarany.

50. Ary ny famindram-pony dia amin'izay matahotra Azy hatramin'ny taranaka fara mandimby.

51. Nanao asa lehibe tamin'ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin'ny fiheveran'ny fony Izy.

52. Nampiala ny lehibe tamin'ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.

53. Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.

54. Niahy an'isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony

55. (Araka ny voalazany tamin'ny razantsika), tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.

56. Ary Maria nitoetra teo amin'i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.

57. Ary tonga ny andro hahaveloman'i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.

58. Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin'ny Tompo ny famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.

59. Ary tamin'ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany.

60. Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.

61. Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin'ny havanao izay manana izany anarana izany.

62. Ary nanao baikon'ny moana tamin'ny rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany.

63. Ary nangataka fàfana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.

64. Ary dia nisokatra niaraka tamin'izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an'Andriamanitra.

Vakio ny toko manontolo Lioka 1