Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Kolosiana 4:10-18 Malagasy Bible (MG1865)

10. Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan'i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),

11. ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin'ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan'Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.

12. Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin'ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra.

13. Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an'ny any Laodikia ary ho an'ny any Hierapolia izy.

14. Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.

15. Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an- tranony.

16. Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin'ny fiangonan'ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin'ny Laodikiana.

17. Ary lazao amin'i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin'ny Tompo mba hahatanterahanao izany.

18. Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.

Vakio ny toko manontolo Kolosiana 4