Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Kolosiana 1:4-9 Malagasy Bible (MG1865)

4. rehefa renay ny finoanareo an'i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,

5. noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara,

6. izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin'izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin'ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka ny marina;

7. tahaka ny efa renareo tamin'i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon'i Kristy mahatoky ho anay,

8. sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin'ny Fanahy.

9. Ary noho izany izahay koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy,

Vakio ny toko manontolo Kolosiana 1