Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 8:10-29 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?

11. Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony]

12. Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.

13. Ary hoy ny Fariseo taminy: Hianao manambara ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao.

14. Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay nihaviako sy izay alehako; fa ianareo kosa tsy mahalala izay ihaviako, na izay alehako.

15. Hianareo mitsara araka ny nofo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza.

16. Ary na dia mitsara aza Aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy irery Aho, fa Izaho sy ny Ray Izay naniraka Ahy.

17. Ary voasoratra ao amin'ny lalànareo fa marina ny fanambaran'ny olona roa lahy (Deo. 19. 15).

18. Izaho no manambara ny tenako, ary ny Ray Izay naniraka Ahy dia manambara Ahy koa.

19. Dia hoy ireo taminy: Aiza izay Rainao? Jesosy namaly hoe: Samy tsy fantatrareo, na Izaho, na ny Raiko; raha nahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa.

20. Izany teny izany no nolazain'i Jesosy teo akaikin'ny fandatsahan-drakitra, raha nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary tsy nisy olona nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.

21. Ary hoy indray Jesosy taminy: Handeha Aho, ary hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin'ny fahotanareo; izay alehako tsy azonareo haleha.

22. Dia hoy ny Jiosy: Hamono tena va Izy, no manao hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha?

23. Fa hoy Izy taminy; Hianareo avy atỳ ambany; Izaho avy any ambony; ianareo avy amin'izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin'izao tontolo izao;

24. koa izany no nilazako taminareo fa ho faty amin'ny fahotanareo ianareo; fa raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo ianareo.

25. Dia hoy ireo taminy: Iza moa Hianao? Hoy Jesosy taminy: Ilay nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohany.

26. Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho, satria marina Izay naniraka Ahy; ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin'izao tontolo izao.

27. Tsy fantany fa ny Ray no nolazainy taminy,

28. ka dia hoy Jesosy: Rehefa asandratrareo ny Zanak'olona, dia ho fantatrareo fa Izaho no Izy, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin'ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.

29. Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.

Vakio ny toko manontolo Jaona 8