Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 7:28-38 Malagasy Bible (MG1865)

28. Dia niantso teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo.

29. Izaho mahalala Azy; fa Izy no nihaviako, ka Izy no naniraka Ahy.

30. Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.

31. Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon'ity Lehilahy ity va Izy?

32. Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy.

33. Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin'izay naniraka Ahy Aho.

34. Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha.

35. Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan'ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin'izay miely any amin'ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika?

36. Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha?

37. Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

38. Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.

Vakio ny toko manontolo Jaona 7