Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 6:54-71 Malagasy Bible (MG1865)

54. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.

55. Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.

56. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.

57. Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.

58. Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.

59. Izany teny izany no nolazainy tao amin'ny synagoga, raha nampianatra tao Kapernaomy Izy.

60. Koa maro tamin'ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?

61. Ary fantatr'i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin'izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izay?

62. Mainka raha mahita ny Zanak'olona miakatra ho any amin'izay nitoerany taloha ianareo.

63. Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.

64. Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr'i Jesosy hatramin'ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy.

65. Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany.

66. Hatramin'izany dia maro tamin'ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.

67. Dia hoy Jesosy tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala?

68. Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay.

69. Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin'Andriamanitra.

70. Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin'ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?

71. Fa Izy nilaza an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan'ny roa ambin'ny folo lahy.

Vakio ny toko manontolo Jaona 6