Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 5:13-25 Malagasy Bible (MG1865)

13. Fa ilay sitrana tsy nahalala Ary; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo.

14. Rehefa afaka izany, dia hitan'i Jesosy teo an-kianjan'ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.

15. Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy.

16. Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an'i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy.

17. Fa Jesosy namaly azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.

18. Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy.

19. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; fa na inona na inona no ataon'ny Ray dia toy izany koa no ataon'ny Zanaka.

20. Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon'ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga ianareo.

21. Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman'ny Zanaka izay tiany.

22. Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka,

23. mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.

24. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy.

25. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona.

Vakio ny toko manontolo Jaona 5