Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 16:2-15 Malagasy Bible (MG1865)

2. Handroaka anareo hiala amin'ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy.

3. Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho.

4. Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan'androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohany izany, satria mbola tatỳ aminareo ihany Aho.

5. Fa ankehitriny mankany amin'izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao?

6. Fa satria nilaza izany taminareo Aho, dia vonton'alahelo ny fonareo.

7. Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy.

8. Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana:

9. ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;

10. ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo;

11. ny fitsarana, satria ny andrianan'izao tontolo izao dia efa voatsara.

12. Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.

13. Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.

14. Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.

15. Izay rehetra ananan'ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.

Vakio ny toko manontolo Jaona 16