Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 13:3-17 Malagasy Bible (MG1865)

3. sady fantatr'i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany,

4. dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany;

5. ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin'ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin'ny lamba famaohana izay nisikinany.

6. Dia nankeo amin'i Simona Petera Izy; fa hoy Petera taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro?

7. Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay.

8. Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko.

9. Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tanako sy ny lohako koa.

10. Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary ianareo dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.

11. Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa ianareo rehetra.

12. Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo?

13. Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.

14. Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.

15. Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.

16. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.

17. Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany.

Vakio ny toko manontolo Jaona 13