Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 13:12-26 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo?

13. Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.

14. Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.

15. Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.

16. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.

17. Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany.

18. Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Izay homana ny mofoko no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy (Sal. 41. 9).

19. Hatramin'izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga, fa Izaho no Izy.

20. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.

21. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny, ka nanambara hoe Izy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny anankiray aminareo no hamadika Ahy.

22. Dia nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy.

23. Ary nisy mpianatra anankiray nipetraka nihinana teo anilan'i Jesosy, dia ilay tian'i Jesosy.

24. Simona Petera nanatsika azy ka nanao taminy hoe: Lazao izay izy.

25. Ary raha mbola nipetraka tahaka izany izy, dia niraika ho amin'ny tratran'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Tompoko, iza moa izany?

26. Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Ilay homeko ny sombin-kanina lemako no izy. Ary rehefa nolemany ny sombin-kanina, dia noraisiny ka nomeny an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota.

Vakio ny toko manontolo Jaona 13