Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 10:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin'ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy.

2. Fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ny ondry.

3. Ary izy no vohan'ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin'ny anarany avy ka entiny mivoaka.

4. Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.

Vakio ny toko manontolo Jaona 10