Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 1:8-20 Malagasy Bible (MG1865)

8. Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.

9. Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao.

10. Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.

11. Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.

12. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,

13. dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra.

14. Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.

15. Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy

16. Fa tamin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.

17. Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy.

18. Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy].

19. Ary izao no nambaran'i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?

20. Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy.

Vakio ny toko manontolo Jaona 1