Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 1:17-29 Malagasy Bible (MG1865)

17. Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy.

18. Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy].

19. Ary izao no nambaran'i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?

20. Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy.

21. Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia.

22. Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay valiny ho any amin'izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao?

23. Dia hoy izy: Izaho dia feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan'i Jehovah (Isa. 40. 3), araka izay nolazain'Isaia mpaminany.

24. Ary iraka avy tamin'ny Fariseo ireo.

25. Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?

26. Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin'ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo,

27. dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.

28. Izany zavatra izany dia natao tany Betania any an-dafin'i Jordana, izay nanaovan'i Jaona batisa.

29. Nony ampitso dia nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!

Vakio ny toko manontolo Jaona 1