Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jakoba 3:8-16 Malagasy Bible (MG1865)

8. fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty.

9. Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik'Andriamanitra.

10. Ny vava iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.

11. Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin'ny vavany iray ihany?

12. Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan'oliva, na ny voaloboka mamoa voan'aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan'ny mamy.

13. Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena.

14. Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina.

15. Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an'ny demonia.

16. Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra.

Vakio ny toko manontolo Jakoba 3