Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hebreo 9:17-23 Malagasy Bible (MG1865)

17. Fa mafy ny didim-pananana, rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha mbola velona ilay nanao azy.

18. Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy rà.

19. Fa rehefa voalazan'i Mosesy tamin'ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak'omby sy ny ran'osilahy mbamin'ny rano sy ny volon'ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin'ny boky sy ny vahoaka rehetra;

20. dia hoy izy; Ity no ran'ny fanekena izay nandidian'Andriamanitra anareo (Eks. 24. 8).

21. Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa.

22. Ary saiky diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.

23. Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin'ireny ny tandindon'ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan'ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin'izay fanatitra tsara noho ireny.

Vakio ny toko manontolo Hebreo 9