Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hebreo 7:13-19 Malagasy Bible (MG1865)

13. Fa Izay nolazaina amin'izany teny izany dia avy tamin'ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin'ny alitara.

14. Fa hita marimarina fa avy tamin'ny Joda no nisehoan'ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain'i Mosesy akory ny amin'izay ho mpisorona.

15. Ary hita marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona hafa miseho ka tahaka an'i Melkizedeka,

16. izay natao tsy araka ny lalàn'izay didy momba ny nofo, fa araka ny herin'ny fiainana tsy manam-pahataperana.

17. Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4).

18. Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany

19. (fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an'Andriamanitra.

Vakio ny toko manontolo Hebreo 7