Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hebreo 6:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin'ny asa maty sy finoana an'Andriamanitra,

2. ary fampianarana ny amin'ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan'ny maty sy ny fitsarana mandrakizay.

3. Ary izany no hataontsika, raha avelan'Andriamanitra.

Vakio ny toko manontolo Hebreo 6