Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hebreo 12:3-14 Malagasy Bible (MG1865)

3. Fa hevero tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo.

4. Hianareo tsy mbola nanohitra niady tamin'ny ota hatramin'ny fahalatsahan-drà.

5. Ary hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: "Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon'i Jehovah, Ary aza reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony ianao;

6. Fa izay tian'i Jehovah no faizany, Ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny" (Oha. 3.11,12).

7. Famaizana no anton'ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza moa izay zanaka tsy faizan-drainy?

8. Fa raha tsy faizana tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka.

9. Ary koa, isika dia nanana ny rain'ny nofontsika ho mpanafay antsika ka efa nanaja azy; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain'ny fanahy, ka ho velona isika?

10. Fa ireny dia nanao izay hahafay antsika tamin'ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany.

11. Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy.

12. Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy;

13. ary manaova lala-mahitsy halehan'ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa.

14. Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.

Vakio ny toko manontolo Hebreo 12