Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hebreo 10:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin'izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.

2. Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian'ny fieritreretany ny ota intsony izy?

3. Fa amin'ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.

4. Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy.

5. Koa nony niditra tamin'izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy;

6. Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao;

7. Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga - Ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy -Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô". (Sal. 40.6-8).

8. Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy sitrakao",

Vakio ny toko manontolo Hebreo 10