Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Galatiana 4:8-21 Malagasy Bible (MG1865)

8. Kanefa tamin'izany, fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy;

9. fa ankehitriny, rehefa mahalala an'Andriamanitra ianareo - nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo - nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin'ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?

10. Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.

11. Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.

12. Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo;

13. nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen'ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin'ilay voalohany;

14. ary ny teo amin'ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin'Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an'i Kristy Jesosy aza.

15. Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy.

16. Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?

17. Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.

18. Fa tsara raha ilam-pitia amin'ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.

19. Anaka, izay aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i Kristy ao anatinareo,

20. enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo.

21. Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin'ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?

Vakio ny toko manontolo Galatiana 4