Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Galatiana 3:1-15 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ry Galatiana adala, iza no nanimba anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an'i Jesosy Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana?

2. Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan'ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana?

3. Adala toy izany va ianareo? Rehefa nanomboka tamin'ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin'ny nofo va ankehitriny?

4. Moa izany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany?

5. Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin'ny asan'ny lalàna va izany, sa avy amin'ny fitoriana ny finoana?

6. Dia tahaka an'i Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nasaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6).

7. Koa fantaro fa izay amin'ny finoana no zanak'i Abrahama.

8. Ary satria hitan'ny Soratra Masina rahateo fa amin'ny finoana no anamarinan'Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin'i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra (Gen. 12. 3);

9. ka dia izay amin'ny finoana notahina mbamin'i Abrahama mpino.

10. Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna (Deo. 27. 26).

11. Ary hita marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra ; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona (Hab. 2. 4).

12. Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy (Lev. 18. 5).

13. Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe : Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo (Deo. 21. 23),

14. mba ho tonga amin'ny jentilisa ny fitahiana an'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin'ny finoana ny teny fikasana ny amin'ny Fanahy.

15. Ry rahalahy - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekena ataon'olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany.

Vakio ny toko manontolo Galatiana 3