Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Filipiana 3:6-14 Malagasy Bible (MG1865)

6. araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana; araka ny fahamarinana avy amin'ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny.

7. Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin'i Kristy.

8. Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy;

9. ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy amin'ny finoana an'i Kristy, dia ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny finoana;

10. eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany,

11. raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty.

12. Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan'i Kristy Jesosy ahy.

13. Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha,

14. eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy.

Vakio ny toko manontolo Filipiana 3