Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Filipiana 2:24-30 Malagasy Bible (MG1865)

24. Fa matoky ao amin'ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy faingana koa.

25. Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko hankatį»³ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo sy mpanompo hanome izay nilaiko.

26. Fa manina anareo rehetra izy ka difotra alahelo, satria efa renareo fa narary izy.

27. Eny, fa narary saiky maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy ihany, fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho.

28. Koa nazoto kokoa haniraka azy aho, mba hifalianareo, rehefa hitanareo indray izy, ary mba ho afaka alahelo kokoa aho.

29. Koa raiso ao amin'ny Tompo izy amin'ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany;

30. fa saiky maty izy noho ny asan'i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin'ny fanompoana ahy.

Vakio ny toko manontolo Filipiana 2