Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Efesiana 5:28-33 Malagasy Bible (MG1865)

28. Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.

29. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy amin'ny fiangonana;

30. fa momba ny tenany isika.

31. Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24).

32. Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy ny fiangonana aho.

33. Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.

Vakio ny toko manontolo Efesiana 5